Tafiakatra hatramin` ny 32˚C ny hafanana eto Analamanga tao anatin`ny telo andro
farany izay miteraka ny tsy fisian` ny rano any amin`ireo faritra maromaro. Nidina 26˚C kosa izany nanomboka omaly ary haharitra telo andro ny orana eto amin`ny faritra Analamanga. Oram-pahavaratra no mbola misy eto Analamanga raha ny fanazavana. Mbola tsy nahazo fanamarinana kosa mahakasika ny fandatsahana orana artifisialy amin`ireo faritra sisa. Mbola hiaina tanteraka anaty hafanana ny faritra hafa toa an` i SAVA, Atsimo atsinanana,… hoy ny teo anivon` ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Ilaina, araka izany, no mivatsy aro orana ho an` ireo rehetra hivoaka ny trano hatramin` ny 04 desambra izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.