Actualités

Toetr’andro eto an-drenivohitra Mety hisy oram-baratra amin’ity faran’ny herinandro ity


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Efa miditra tanteraka ao anatin’ny faran’ny herinandro isika izao. Ankoatra ny tsio-drivotra sy ny volon’andro mbola

somary mangatsiaka dia fantatra fa mety hisy oram-baratra amin’ity faran’ny herinandro ity eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Haharitra roa na telo andro eo ho eo izany raha araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ka tokony samy hivonona sy hiomana amin’izany avokoa ny rehetra. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia orana manasa-taona , hidirana ao anatin’ny lohataona mankany amin’ny fahavaratra io ranon’orana hilatsaka io. Amin’ny volana Novambra any ho any kosa vao mety hisy ranon’orana hanamarika ny maha-fotoam-pahavaratra eto amintsika raha any amin’ny volana janoary any ho any no handalo ny rivo-doza araka ny vinavina hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT