Actualités

Toetra sy fihetsika hafahafa Hoesorina sa tsia ny governoran’Alaotra Mangoro ?


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Nandefa taratarasy miantefa amin’ny governoran’Alaotra Mangoro Atoa Richard Ramandehamanana ny Departemanta Ille-et-Vilaine any Frantsa ny 01 aogositra 2022 teo,

maneho ny fanapahana fiaraha-miasa eo amin’ny faritra roa tonta. Naneho ny Ille&Vilaine fa voatery tsy mandray fanapahan-kevitra mba ho antoka amin’ny fiarovana ireo tovovavy Frantsay miisa antsoina hoe: Clémence De Villers, Oriane Thomas, ary Lison Piquet, izay voalaza tao anatin’ny taratasy fa nanaovan’ity governora ity toetra amam-pihetsika mamoafady sy fikasana hanao fanararaotana ara-nofo na “Harcèlement sexuel”. Raha ny votoatin’ny taratasy, nisy ny firesahana sy ny fitsarana momba ny toe-batany na “jugement sur leur physique”, nisy ihany koa ny fampidirana ireo telovavy tao anatin’ny fiara mba nahafahana nafosafosafo azy tsy nisy fahazoan-dàlana avy amin’izy ireo, ary nokasaina, hofihinina sy horohana ny iray tamin’izy ireo. Naneho noho izany ny Filohan’io departemanta Frantsay iray io fa nanapa-kevitra ny tsy hamita ny iraka ampanaovina azy ireo iraka Frantsay telo vavy, tsy azo antoka ny toetra amam-pihetsik’io governor io, ka tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra mba hampanalavirana ireo tovovavy ho fiarovana azy ireo. Na teo aza ny iraka nataon’ny “Chargé de mission” an’io departemanta io ny aprily teo, nahatsiaro ho tandindonin-doza izy telovavy, tokony ho naneho ny iraka nataony tamin’ny “Service civique” ao amin’ny Masoivoho Frantsay, tsy te hahita sy tsy te hifanatri-tava amin’io governora io. Mahatsapa fihetsika feno fanaparam-pahefana sy fahatsapana fandrahonana izay tsy azo leferina, tsy fanajana ny fifanarahana,… Naneho fa hevitra tamin’ny Ambasadaoro Frantsay ny Filohan’ny Ille&Vilaine, nilaza fa tsy afaka manatanteraka ny iraka ampanaovina azy, ary tonga hatrany amin’ny resaka fampodiana azy ireo faran’izay haingana noho ny loza mety mandindona azy. Tsara ny manamarika fa efa hatrany amin’ny taona 2004 no nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny faritra roa tonta, indrindra fa amin’ny sehatry ny “écotourisme” na ny fizahantany mifandraika amin’ny tontolo ara-boajanahary ary mitondra tombony ambony apanga amin’ilay faritra. Eo ihany koa ny tontolon’ny famokarana ronono,… Olona an-tapitrisany no mahazo tombotsoa amin’izany, saingy izao tapaka izao.
TSY AZO HOZONGOZONINA?
Zavatra saropady ity resaka ity “harcèlement sexuel” ity! Isan’ny nahavoa an’I Dominique Strauss na DSK Lehiben’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) teo aloha. Mbola vao nandeha ny resaka dia voatery nametra-pialana tamin’ny toerany, potika ara-politika na tsara toerana ho Filoha Frantsay aza. Tsy vao izao no nahenoana laza ratsy mikasika ity Governora ity na ara-pitantanana na ara-pitondran-tena. Voalaza ho manao fitondrana mitanila ihany koa ka izay faritra fihaviany ihany no voajery, fa ny hafa ambanin-javatra, ka isan’ny mitaraina, ohatra, ny mponina any amin’iny Kaominina Didy iny satria fampanantenana no betsaka amin’ny hoe: làlana hamboarina, fa tsy hita ihany izay eo. Efa notaterin’ny fampahalalam-baovao ohatra ny raharaha fanodinodinam-bolam-panjakana 153 395 000Ar tamin’ny fanabontsinana faktiora momba ny tsenam-panjakana ny taona 2019. Misy ny maneho fa mahasahy mamoaka vava mihitsy io, fa tsy misy mahala azy amin’ny toerany. Hanao ahoana ny ho fanapahan-kevitry ny Filoha? Aiza ho aiza Rtoa Mialy Rajoelina izay sarotiny amin’ny herisetra na fanararaotana ara-batana na koa ara-nofo mahazo ny vehivavy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT