Actualités

Toerana manoloana ny ORTM etsy Anosy Havadika ho toerana feno zava-maitso mahafinaritra


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Toerana zary fanaovan’ny sasany maloto sy fanariana fako hatramin’izay ny manoloana ny ORTM etsy Anosy.

Handrenesana fofona maimbo hatrany vokatr’izany rehefa mandalo eny an-toerana izay nefa toerana tokony hahafinaritra. Nandray ny andraikiny ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina araka izany nanadio sy nanajary iny faritra iny mba hanovana izany ho toerana maitso mendrika ny tanàn-dehibe. Mbola hitohy anio Alakamisy ny asa ka hisy hatrany famefena sy fambolena voninkazo sy zava-maniry hanomezana endrika mahatehonina sy mahafinaritra iny faritra iny.Tanjona kendren’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina anatina hetsika tahaka izao moa ny hanentanana sy hitaiza ny olom-pirenena tsirairay avy handray andraikitra. Misy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny Fokontany eny Ampefiloha sy ireo mpivarotra eny an-toerana, mba handraisan'izy ireo anjara amin’ny fikojakojana ilay toerana indrindra ny fanaraha-maso ny asa rehetra vao natao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nirotsaka nanadio ny Minisitra tompon’andraikitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT