Actualités

Toeram-pivoahana ho an’ny mponina Manampy ny Kaominina ny tetikasa MIASA


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Mbola vao ny 27 %-n’ny mponina eto an-drenivohitra no manana trano fivoahana raha araka ny fanadihadiana nataon’ny ONG Gret, misy ny tetikasa Miasa.

 

Ny 73 % ambiny  dia miaina amina trano fivoahana hikambanana amin’ny besinimaro  avokoa na koa sasatry ny manala ny maloto ao anatiny ao anatin’ny fotoana fohy, indrindra fa ireo monina amin’ny faritra iva. Mba ho fanampiana azy ireny dia nanatanteraka atrikasa nentina nandinihina ny zava-bitany tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ny fandaharan’asa MIASA, vatsian’ny vondrona Eoropeana vola. Fandaharan’asa manampy ireo olona te-hanana trano fivoahana manara-penitra izy io, manome fihenam-bidy ny sahirana ihany koa nefa manala ny maloto ao anaty mba tsy hiteraka aretina ho an’ny manodidina. Ankoatra izay dia afaka manodina ny rano ao amin’ny  trano fivoahana ho azo hampiasaina ihany koa izy ireo. Fianakaviana manodidina ny 2.000 isa no efa nahazo tombony tamin’izany nanomboka ny taona 2015 raha 700 no nokasaina teny am-piandohana. miparitaka amina Fokontany fito eto Antananarivo renivohitra. Tanjona ny hanampiana  ny kaominina sy ny SAMVA izay hitantanana ny fotodrafitrasa sady hitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina ihany koa.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT