Actualités

Toeram-pitrandrahana ao Soamahamanina Tsy nisy mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana tafiditra izany !


  • Zoma 22 Jolay 2016

Tsy marina ny voalaza tao anatin’ny lisitra izay naseho tao amin’ny fandaharana mazava atsinanan’ny televizionam-pirenena izay nilaza fa nisy mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana

 tafiditra tao amin’ny toeram-pitrandrahan’ny sinoa eny an-toerana ny 20 jolay lasa teo. Toy ireo mpanao gazety rehetra dia mba naniry hanangom-baovao teny an-toerana ihany koa ny mpanao gazetin’ity orinasa ity saingy natao an-kilabao toy ireo namany izay manohana ny hetsika fitakiana fahafahana sy fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tonga teny an-toerana ihany. Mampalahelo raha amin’izao taonjaton’ny fahazavana izao no mbola misy toe-tsaina minia manely vaovao tsy marina toy izany, indrindra fa amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

J.M

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT