Actualités

Toeram-pandihizana, trano filokana Hametrahana takelaka hiarovana ireo tsy ampy taona


  • Zoma 29 Jolay 2022

Hisy ny fametrahana takelaka hataon'ny Polisim-pirenena mandrara ireo ankizy tsy ampy taona tsy hiditra amin'ireny toerana voarara toy ny toeram-pandihizana ireny ny toerana hahitana zava-pisotro mahamamo ary ny toerana

filokana manomboka izao. Ho fiarovana ny zaza malagasy amin'ireo karazana herisetra mety hianjady amin'izy ireo no anton’izany no sady ho fampahafantarana ny olona fa mahavoasazy ny fitondrana na koa fahitana ankizy miditra amin'ireny toerana ireny. Tonga nanolotra ireo takelaka ireo moa Andriamatoa Christophe Bouchard Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara omaly ary nandray izany kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Ny Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Randrianarison izay notronin'ny Minisitry ny fizahantany Andriamatoa Joël Randriamandranto sy ny talen'ny fikambanana misahana ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana ( FHORM) Jimmy Rakotoarisoa. Hosantarina eto an-drenivohitra ny hetsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo takelaka

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT