Sady nikolokolo sy nanara-maso ny zanakazo 2020 no namboly zanakazo
vaovao ho an'ny taom-pambolen-kazo 2021. Tontosa ny asabotsy 30 janoary teo tao Ankazobe mantsy ny fambolen-kazo niarahan'ny orinasa MADAGASCO, ny ekipa teknika sy kabinetran'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny Tale Jeneraly avy amin'ny ONE, SNGF, Madagascar National Parks ary OLEP. Natao tao amin'ny "Station Forestière Manankazo", izay iarahan'ny MADAGASCO sy MEDD mitantana ho fanohizana ny ezaka fanamaitsoana sy fampitomboana ny Velarana ala ao amin'izay toerana izany. Mankasitraka ny manam-pahefana ifotony nanotrona anay : ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ankazobe, ny Ben'ny Tananan'i Ankazobe, ny Sefo District, hoy ny MEDD. Anaovana ezaka manokana sy tena atao adidy iombonana ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ny zanakazo izay nambolentsika taloha sy ireo izay hambolentsika amin'ity taom-pambolen-kazo 2021 ity, hoy ny tatitra. Noho izany, nidina ifotony tao amin'ny “site de reboisement présidentiel” tao Firarazana Ankazobe ny fianakaviamben'ny MEDD. Nokolokoloina ny zanakazo, nodiovina tsara ny manodidina azy ireny mba hitomboany tsara sy tsy ho tratran'ny afo. Dia nososohana ihany koa ireo hita fa tsy nitsiry. 92%-n'ny zanakazo dia naniry avokoa, noho ny fikarakarana sy fanaraha-maso nataon'ny fokonolona sy ny ekipan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana ao ifotony, ny Cantonnement Ankazobe.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.