Actualités

Toby Ratsimandrava Nisy nitoraka grenady omaly alina


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Omaly manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nisy fipoahana be henon’ny mponin’Andrefan’Ambohijanahary sy ny manodidina.

Rehefa nohamarinina teo anivon’ny zandary dia fantatra fa ny Toby Ratsimandrava no nisy nitoraka grenady. Raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’io tobin’ny zandary io hatrany dia «grenade offensive» no nampiasain’ireo olona izay tsy mbola fantatra aloha hatreto hoe iza ? Na izany aza anefa dia nisy ny nilaza fa olona roa nandeha môtô no nanao an’izany. Avy ary amin’ny vavahady atsimo no natsipin’izy ireo ny grenady. Tsy nisy ny aina nafoy ary tsy nisy ihany koa ny naratra. Avy hatrany dia nosokafan’ny zandary ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.  Araka ny fantatra dia nandrenesana fipoahan-javatra koa tamin’ny manodidina an’Anosy iny alina. Mahazo vahana indray izany ny herisetra avy amin’ny fanapoahana grenady na baomba vita gasy. Handrasana izay mety ho fivoaran’ny fanadihadiana.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT