Actualités

Toby Ratsimandrava Avy amin’ny toby miaramila ilay grenady nipoaka teny ?


  • Talata 30 Aogositra 2011


Araka ny tsiliantsofina dia ahiana ho nivoaka avy amin’ny toby miaramila ihany ireo grenady natsipy tetsy sy teroa teto an-drenivohitra. Midika izany fa misy ny tsy fahafalian’ny miaramila na manoloana ireo lehibeny na manoloana ny mpitondra ankehitriny mihitsy. Samy mahalala ity tranga ity avokoa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny foloalindahy amin’izao fotoana izao. Mikasika ireo izay tena niavian’ireo grenady kosa anefa dia tsy mbola fantatra mazava. Ny azo antoka, hoy ity laharanom-baovao ity dia tsy ny sivily mihitsy no manana grenady. Ny zava-misy dia karamaina ny sivily hampiasa izany fa ny fiavian’ireo grenady dia tsy ferana mihitsy ny avy amin’ny tafika. Ho hita eo ny tohin’ny famotorana fa mikasika ilay grenady teny amin’ny Toby Ratsimandrava afak’omaly dia ny “brigade speciale” ao an-toerana ihany no manao ny famotorana.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT