Actualités

Toby mpihary herinaratra 140MW Kasaina hiodina ao anatin’ny 5 taona ny ao Antetezambato


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Nivoaka ny antso tolo-bidy avy amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo mikasika ny famelomana sy fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Antetezambato.

Toby hamokatra angovo 140MW eo ho eo ho an’ny distrikan’Ambatofinandrahana izy. Manana hatrany amin’ny 18 janoary 2023 eo ireo liana amin’izany, ka etsy amin’ny Minisiteran’ny angovo etsy Ampandrianomby no fandraisana ny antontan-taratasy. Voalaza fa isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana ho an’ny sehatry ny angovo ity tobim-pamokarana ao Antetezambato ity, ary tombanana ho afaka hiodina ao anatin’ny 5 taona, araka ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny fanokanana an’I Farahantsana tamin’ny fiandohan’ity volana desambra ity. Nolazaina mihitsy fa hafainganina ny fametrahana ity tetikasa ao Antetezambato ity. Mahatratra hatrany amin’ny 420 tapitrisa dolara eo moa ny sora-bola voalaza fa hoenti-manajary iry tetikasa famokarana toby mpihary herinaratra ity. Isan’ny olana goavana ho an’I Madagasikara hatreto ny resaka angovo sy herinaratra kanefa 15 hatramin’ny 20% amin’ny Malagasy no misitraka azy. Zary voaresaka foana amin’ny propagandy ny hoe:: hanafoana ny delestazy. Anisan’izany ny Filoha ankehitriny tamin’ny 2018 izay nilaza fa hamokatra 400MW ao anatin’ny 5 taona. Ho tapitra izany, saingy milaza indray fa hahavita 502MW ao anatin’ny 5 taona satria mety ho vita ao anatin’izany I Sahofika hamokatra 192MW sy Volobe hamokatra 120MW izay samy tetikasan’ny Filoha teo aloha, ary eo ihany koa ny fampanantenana hanao Mandraka III. Andrasana indray ny vokatra, fa ny fanamby sy ny fampanantenana ary ny velirano aloha dia tena nitosaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT