Actualités

Toby mpaninjara solika Mikatona tsikelikely ny eto an-drenivohitra


  • Zoma 22 Jolay 2011

Manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ireo toby mpaninjara solika toy ny fivarotana solika lasa fatiantoka dia misy ireo toby voatery nampihena ny mpiasa ao aminy na koa miditra amin’ny fampiasana ny renivola ary dia misy mihitsy aza ireo nanakatona ny varavarany.

 Hatreto manko, araka ny vaovao dia tsy mbola manana vahaolana ho azy ireo ny fanjakana na dia efa betsaka aza ireo antso nataon’ny vondron’ireo mpaninjara solika na ny GPGLSS. Araka ny efa fantatra moa dia ny fanjakana no mametra ny vidin-tsolika amin’izao fotoana izao. Tsy mahaleo ny sarany anefa ny vidiny, araka ny fanazavana satria dia tafiditra fatiantoka ireo mpandraharaha efa ho am-bolana maro izao. Ankoatra ny fameran’ny fanjakana ny vidin-tsolika dia fantatra ihany koa fa tsy manao trosa intsony ireo mpamongady solika. Tsy maintsy aloan’ireo mpaninjara eo no ho eo ny vidin’ny solika alainy.

Manoloana ireo rehetra ireo dia tsy mbola nisy vahaolana naroson’ny FAT. Ingahy minisitra koa mbola sahirana manentana ny olona hanoratra ny anarany amin’ny lisi-pifidianana. Ankoatra ny fahaverezan’asa ho an’ireo mpiasa teny anivon’ireo tobin-dasantsy tsy maintsy nakatona dia mety hiteraka korontana ara-tsosialy ankapobeny mihitsy ny fahavitsian’ny toby mpaninjara solika.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT