Actualités

Toby miaramila Goragora ny fiambenana


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Na tena izy, na sinema no nitranga teny Ivato, dia mampiahiahy foana ihany ny tena hery sy tanjaky ny miaramila Malagasy.

 Azo ambara fa goragora sy tsy manara-penitra ihany ny fiambenana ireo toby miaramila eto amintsika ary mampametra-panontaniana koa ny fahombiazan’ny fitsikilovana miaramila. Hery vonjy taitra ny RFI na Régiment des Force d’Intervention. Toa ity toby ity indray anefa no navotana sy nandefasana vondron-tafika maro toy ny GSIS, FIS, EMMO-Reg, satria nidirana miaramila mitam-basy. Raha ny vaovao ofisialy nivoaka omaly, dia nilaza fa tokony ho tamin’ny 5 ora maraina (alahady) teo, no nisy andiana miaramila, niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny RFI Ivato, ary tonga dia nanapoaka basy. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : f’angaha moa tsy misy miambina andro aman’alina io toby io ? Ary izay milaza azy ho miaramila ve dia mahazo miditra ao amin’ny ora sy andro izay tiany ? Izany no zava-misy eto Antananarivo, koa azo an-tsaina tsara ny mety hitranga any amin’ireo toby miaramila lavitra any amin’ny faritra any.

Samy nanontany tena koa ny olona iny omaly iny hoe : ahoana marina moa izany ny mety hitranga raha toa ka tena misy manafika isika eto Madagasikara ? Toa mora idiriana sy ivoahana izany mantsy ireo toby miaramila noheverina fa goavana eto amintsika. Omaly ihany dia efa resabe teto an-drenivohitra ny hoe : tsy mahagaga raha tsy mety voasambotra i Remenabila, satria ny foloalindahy mihitsy no tsy milamina sy goragora ! Mibaribary be koa izao, hoy ihany ny olon-tsotra fa tena misy fivakisana ao amin’ny tafika ao, hafa ny fanambaran’ny lehibe, fa hafa ny tena zava-misy marina ao an-tsain’ny miaramila tsirairay avy. Hita ihany koa izao fa niteraka fomba amam-panao ratsy tany amin’ny miaramila ny zavatra nataon’ny CAPSAT tamin’ny 2009. Isaky ny misy zavatra tsy metimety amin’ny miaramila na misy olona manome vola azy ireo, dia vonona ny hanafika toby sy hikomy izy ireo. Mbola tena ho sarotra ny fandaminana ny foloalindahy, izay tratry ny krizy ihany koa, fa ny maha loza azy dia izy ireo manana fitaovam-piadiana !

 

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT