Rehefa nanontaniana ireo mpitatitra mihazo ny faritr’i Toamasina, dia nanambara ny ankamaroan’izy ireo fa hanahirana ny fifindrana eny, tsy ho an’ny mpitatitra ihany, fa ho an’ny mpandeha ihany koa.
Nambaran’izy ireo, ny amin’ny lafiny filaminana, indrindra raha tratra alina, eo ny tsy isian’ny tsena ho an’ireo mpandeha ary ny fahalavirana satria mbola hisy sarany ambonimbony kokoa ankoatra ny saran-dalana, ny fandaniana ho an’ny mpandeha tsirairay. Tsy hoe malaina hiala eto Ambodivona akory izahay, fa tokony mba nifampidinihina taminay mpitatitra ny fanapahan-kevitra noraisina, kanefa raha tsy maintsy mifindra, ary mifindra daholo ny rehetra dia izay izany no tsy maintsy arahin ‘ny daholobe. Nohitsian’izy ireo kosa anefa ny filazana ny amin’ny hoe, izy ireo no mahatonga ny fitohanana eny Ambodivona, tsy marina izany hoy ireo Kaoperativa, aiza ianao no tsy mahita fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Ny amin’ny fanovana nentin’ny ATT ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka manao”special”, izay nihatra nanomboka omaly, dia nilaza ho tsy mbola mahafantatra izany izy ireo fa honohono no nahenoan’izy ireo tamin’ny haino aman-jery, raha ny sarany teo aloha dia dimy arivo sy iIray alina Ariary, miaraka amin’ny taratasy fangatahana raha toa ka tsy zotra ataon’ilay fiara no halehany.
a.f
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.