Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny famerenenana ireo mpianatra hamonjy sekoly sy ny fisokafan’ireo sekolim-panjakana, voatery nakatona vonjy maika noho ireo toe-javatra nitranga tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nisian’ny fidinan’ny mpianatra an-dalambe ary nitrangan’ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny samy mpianatra tsy miankina sy ny fanjakana tao Toamasina.
Tsy mbola milefitra amin’ny fanapahan-keviny mihintsy ireo mpanabe mivondrona eo anivon’ny biraon’ny Sempama vaovao tarihan’Atoa Roland. Namoaka fanambarana izy ireo milaza fa “tsy hampianatra raha tsy miainga avy amin’ny Sempama foibe ny fanapahan-kevitra mikasika izany. Tsy tompon’andraikitra amin’ny fanakorontanana ataon’ny mpanararaotra ny tolona izahay, na ireo efa nitranga na ireo mbola hisy…”. Nanome toky ny rehetra kosa ny Sempama fa “tolona milamina no atao ary tsy mieritreritra ny hamadika azy ho politika velively tahaka ny filazan’ny sasany.
Aza matahotra ianareo ray aman-dreny mpitondra eto an-tanana fa olon-kendry ny mpampianatra sy ny mpanabe, fa olona mora avadika na ahodinkodina na tambazana vola na seza ny Sempama. Efa zatra niaina tamin’ny rariny izahay ka hisafidy hiaina amin’izany hatrany…”. Nolazain’izy ireo izay nanao fihaonana tao amin’ny CAPR ny alarobia 16 mey teo, fa “tsy misaraka na mivaky izany ny Sempama Toamasina, ny mpitarika teo aloha ihany no nanala tena, mbola mitohy ny tolona mandram-pahatongavan’ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanjakana sy ny Sempama”. Anio zoma izany, dia mbola mihidy ny sekoly rehetra, tsy mamonjy sekoly ny mpianatra, mitohy isan’andro ny fifandresehan-dahatra eo amin’ny DREN sy ny CISCO ary ny lehiben’ny Faritra Atsinanana miaraka amin’ny Sempama. Mitohy eo anivon’ny CAPR hatrany koa ny fihaonana rehetra na eo aza ny fandahonana ny fanakatonana sy ny fandravana ny fihaonan’ireto mpampianatra ao amin’ity fananan’ny DREN atsinanana ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.