Actualités

Toamasina renivohitra Nikatona ny mpivarotra, noravaina ny mpianatra


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Noho ny zava-misy ao Toamasina vokatr’ilay fifamonoana nitranga tao Barikadimy ka nahafatesana mpianatra iray dia nandeha be ny tsaho noho ny fahitana ireo mpianatra sy vahoaka maro nanara-dia ny fiara nitondra ny razan’ity tovolahy ity nihazo an’i Barikadimy, fa hisy rotaka.

 Nikatona avokoa ny mpivarotra rehetra tamin’ireo tsena goavana tao Toamasina, nanakatom-baravarana avokoa ireo magazay izay Karana ny ankamaroan’ny tompony ary voatery nandrava ny mpianany ireo sekoly tsy miankina efa niditra nianatra ny volana septambra ity. Raha natao ny fanadihadiana, ilay fahamaroan’ny mpianatra sy ny vahoaka niatrika ny fanaterana ity mpianatra maty ity, nameno ny lalana Morarano, Ambolomadinika, Mangarivotra, Mangarano ary hatrany Barikadimy no nahatonga ny fielezan’ny tsaho haingana nanerana ny tanàna. Nanampy trotraka koa ny fifamaliana teo amin’ny mpianatra ary ny vahoaka tonga teo am-bavahadin’ny oniversite sy ny Emmo-reg rehefa nosakanan’ireto farany tsy hiditra tao Barikadimy, saika hatao veloma farany, ity mpianatra maty ity. Nilamina ihany ny raharaha raha tonga ireto minisitra efatra iraka manokan’ny FAT, notarihin’ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent, nanao fanelanelanana.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT