Toamasina renivohitra

> Miverina indray ny delestazy


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013

Nahatsikaritra ny mponin’i Toamasina renivohitra fa nanomboka ny alatsinainy lasa teo isaky ny amin’ny 10 ora alina hatramin’ny misasakalina na amin’ny 1ora maraina eo, dia tapaka hatrany ny herinaratra ao Toamasina sy ny manodidina.

Tena nahagaga ny mpanjifa sy ny mponina satria amin’ny fotoana tsy mahabe mpampiasa ny herinaratra indray ary ao anatin’ny fotoana nampirongatra ny asan-jiolahy tanteraka no miseho ny fahatapahan-jiro. Nanomboka ny sabotsy teo sy ny faran’ny herinandro kosa dia andro antoandro no nisian’ny fahatapahana raha mbola mitranga ihany ny alina. Tsy misy aloha ny fanazavana azo hatreto noho ny tsy fahazoana ireo tompon’andraikitry ny Jirama amin’ny finday sy antso an-tariby, ireo teknisianina kosa tsy tratra birao fa manao fanaraha-maso izany araka ny ambaran’ireo mpiambina sivily misahana ny fiambenana ny orinasa Jirama Toamasina. Ny resaka an-jorony heno ifampiresahana amin’ireo mpiasa mahalala amin’ny ampahany ny olana no nahalalana, fa olana ara-milina izay namboarina tamin’ny fitaovana efa niasa tao amin’izy ireo no mahatonga ny olana. Ilay fanampiana ara-bola nampanantenain’ny orinasa Ambatovy amin’ny fividianana fitaovana hanatsarana sy hanamboarana ny fitaovana famokarana herinaratra, dia tsy Ambatovy no tsy te hiantoka fa ny fanjakana Malagasy no variana amin’ny politika sy ny fifidianana angamba nefa misy fanapahan-kevitra andrasana aminy. Hatreto anefa dia tsy mbola nandinika azy io ny filankevitry ny minisitra sy ny governemanta, koa dia mijanona ho hetaheta ny fanafarana ireo fitaovana nolazain’Ambatovy fa hanampiany ny Jirama hanalefahana, eny hanafoanana ny delestazy ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT