Actualités

Toamasina Nizara roa ny SEMPAMA


  • Talata 15 Mey 2012

“Tsy tompomarika amin’ny mpampianatra mbola mitokona izahay mpitarika ny SEMPAMA.

 Miverina an-tsekoly avokoa ny mpampianatra rehetra manomboka rahampitso (ndlr: anio)”. Izay no nambaran’ny SEMPAMA tarihan’i Porakalahy sy ireo mianadahy mitarika ny Sempama Cisco I sy Cisco II tao amin’ny biraon’ny Cisco Toamasina I. Namaly kosa ny mpampianatra rehetra fa “tsy mbola misy izany fampianarana mandeha izany raha tsy mivaly ny fangatahana, mbola mitokona ary tsy misy ny fampianarana aloha”. Nidika ireo fa nizara roa nanomboka omaly alatsinainy ny SEMPAMA Toamasina, ka nahatonga ireo mpampianatra maro an’isa nanao ny fivoriambeny tampoka omaly maraina tao amin’ny CAPR nifidy ny mpitarika vaovao ny SEMPAMA Toamasina. Ho an’ny SEMPAMA miara-dia amin’i Porakalahy dia milaza ny afa-po amin’ny vahaolana naroson’ny FAT nanoloana ny fitakian’izy ireo ka nanomezana 25 miliara Ariary farany teo, ary nilaza koa fa “noho ny fidirana antoko politika ao anatin’ny tolona ataon’izy ireo no antony nampitsaharanay aloha ny fitokonana, fa ny fitakiana kosa dia mbola mitohy hatrany”.

Ireo SEMPAMA nanangana birao vaovao indray kosa dia milaza fa “fomba filazana ny mba hitsaharan’ny fitokonana fotsiny izany resaka politika tafiditra eo anivon’ny SEMPAMA Toamasina izany. Hatramin’izay dia ny tsangan-tanan’ny mpampianatra rehetra no manapaka, nahoana anefa izao dia ny birao no manapaka samy irery ny tokony atao ?”. Ankoatra ny olana eo amin’ny fitakiana ataon’ny SEMPAMA dia eo koa ity fizarana roa ity, ka samy mandrirotra amin’ny raharaha amin’izay fantany. Omaly hariva dia nisy ny fihaonana teo amin’ny SEMPAMA Porakalahy niaraka tamin’ny CISCO Toamasina I sy ny DREN tamin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Na tsy nambara aza ny votoatin’ny fihaonana dia ny fandaminana amin’ny heritreritra ny hampiambenana Emmo-Sécurité ireo sekolim-panjakana no tena nataon’ireto tompon’andraikitra ireto, mba hahafahan’ny mpampianatra te hampianatra sy ny mpianatra te hianatra mamonjy sekoly, araka ny fanazavan’izy ireo…

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT