Actualités

Toamasina Nilaharana koa ny solika


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Raha mbola filaraham-be teny amin’ireo toby mpaninjara solika teto an-drenivohitra omaly dia efa roa andro nanomboka ny talata teo koa no filaharana ny solika teny amin´ireo toby mpaninjara sasany tao Toamasina.

Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana tsotsotra natao fa misy zavatra tsy milamina ny ao amin´ny toby mpamatsy solika ao Manangareza ao, ary efa ho roa volana teo no nanomboka nampaneno lakolosy ireo tompon´andraikitra samy hafa mikasika ny olana. Fantatra tao anatin’izay fa misy olana eo amin´ireo mpitatitra solika manao ny zotra Toamasina-Antananarivo sy amin´ireo faritra hafa. Raha ny faran´ny herinandro dia efa tonga ao Manangareza ireo fiara vaventy maka solika mihazo ny RN2, dia ny talata maraina izy ireo vao tonga raha tamin´ity herinandro ity. Mitarika fahatarana eo amin´ny fitaterana ny solika izany. Raha nanontaniana moa ireto mpamily ny fiara vaventy ireto dia nilaza fa “olana ara-bola no olanay, tsy mifanaraka amin’ny asa atao ny vola miditra, ny tery vaimanta sy ramatahora no azo raha mba mitaraina izahay”. Fantatra koa aza fa efa nikasa ny hitokona ireto mpitatitra ireto iray volana lasa izay. Etsy ankilan´izay, dia mandeha koa ny feo fa misy fahabangana ara-bola amina miliara ariary ao Manangareza ao. Raha ny tahiry kosa dia ny lasantsy no tena olana izao satria iray volana mahery andro vitsy ny tahiry ankehitriny, ny gazoala kosa mbola maharitra iray volana sy tapany. Mbola amin’ny tapatapaky ny volana jolay ny sambo manaraka hitondra solika vao tonga ankoatra ilay tonga farany ny 28 mey teo, dia manaraka izay ny famoahana solika ao Manangareza ankehitriny.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT