Nanaitra ny tsy fisiana solika tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahitana solika ny ankamaroan’ireo toby mpaninjara, fa zara raha nisy roa nanana tahiry sisa.
Nisy ny nanararaotra nampiakatra avy hatrany ny ho 5000-6000Ar isaky ny litatra ny vidiny. Ny fifanolanana eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa mpanafatra solika no antony. Nifanenjana ny andaniny sy ny ankilany satria tsy nanaiky handoa haban-tseranana sy hetra amin’ny fanafarana solika ireo mpanafatra. Manitrikitrika fa ananan’izy ireo trosa ny Fanjakana tamin’ny famerana ny vidin-tsolika tsy hihetsika, ka dia nandà ny fandoavam-bola izy ireo. “Ny solika dia tonga soa aman-tsara tao Toamasina, napetraka soa aman-tsara tao amin’ny toby. Tsy navela nihetsika tao satria tsy nandoa ny haba sy hetra amin’ny fanafarana”, hoy ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Andry Ramaroson omaly. Misy volabe mifampiditra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka samy nanenjana ho manana ny rariny. “Ry zareo mieritreritra fa ananany volabe ny Fanjakana, fa ny Fanjakana ihany koa dia mieritreritra fa manana volabe amin’izy ireo. Samy mifanaiky fa samy manana trosa, fa ny kaonty kosa no mbola tsy fantatra”, hoy ny fanazavan’ny minisitra. Hitohy ny fifampireresahana mazava eo amin’ny Fanjakana sy ny mpanafatra solika noho izany mba hisian’ny fifanamboarana kaonty, raha ny fanazavana. Efa niverina amin’ny laoniny aloha ny famatsiana solika taorian’ny toe-draharaha somary nanahirana ny faran’ny herinandro teo. Efa nafampana hatry ny ela ity raharaha fifandirana eo amin’ny Fanjakana ity, ka isan’ny nisongadina ny tamin’ny Jovena noho ny voalaza fa tsy fanefana trosa vidina menaka mavesatra nanodinana ny Jirama 18 volana. Nandà tsy hamatsy ny jirama intsony ny Jovena raha voalaza nandritra ny fifanolanana ny volana septambra-oktobra teo, saingy niditra tamin’ny “requisition” ny Fanjakana. Niafara teny amin’ny fitoriana teny amin’ny filankevi-panjakana. Mbola tsy tena mivaha ny fifandirana mazava ho azy fa mbola miotrika, ka iny nisy fifanenjanana iny indray ny faran’ny herinandro teo, izay ny vahoaka no nizaka ny ngidiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.