Omaly antoandro taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpitsara ny fanadinana ny maraina no nivoaka ny valin’ny fanadinana CEPE 2013 ho an’i Toamasina I.
Raha noharina tamin’ny taona 2012 dia nahitana fisondrotana manodidina ny 23% ny taha, satria 88,28% izany tamin’ity taona ity. Araka ny fanazavana azo dia afaka avokoa ireo manana fahasembanana ara-pahitana niisa 07 niatrika ny fanadinana. Rangahy 60 taona no zokiny indrindra niatrika CEPE ho an’ny Cisco Toamasina I, raha zazavavy 8 taona kosa no zandriny indrindra afaka tamin’ity taona ity. Tsy gaga tamin’ny fiakaran’ny taham-pahafahana ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Atoa Sambany Frédéric, satria betsaka ireo namerin-taona raha ny filazany, teo koa ny ezaka nataon’ny ray aman-dreny sy ny mpanabe tamin’ny fanaraha-maso sy fanomezana ireo toromarika samihafa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.