Actualités

Toamasina Mitokona ny mpivarokena, nilaharana ny akoho sy ny trondro


  • Alatsinainy 31 Martsa 2014

Nitokona nanomboka ny zoma teo ary mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo mpivarokena sy ny mpamongady omby ao Toamasina, vokatry ny fifanolanan’izy ireo amina veterinera mpitsara hena sy tomponandraikitra iray eo anivon’ny Kaominina.

 Vokany, tsy nisy hena tao Toamasina ka nifandrobahana sy nilaharana mihitsy ny trondro sy akoho tamin’ny toerana sasany. Voalaza fa tsy ankasitrahan’ireo mpivarokena ny fisiana veterinera «tsy miankina» mitsara hena eo anivon’ny abatoara. Milaza ny handamina ny raharaha ny PDS Toalina Zafindrabary, ka ho hita eo ny tohiny. Efa nisy ny fitokonana toy izao ny volana novambra 2013 noho ity raharaha ity ihany. 50 isan’andro farafahakeliny ny omby vonoina ao Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT