Actualités

Toamasina Mikatso ny famoahana entana, mihitsoka ny solika


  • Zoma 08 Jolay 2011


 Nitatra any amin’ny Faritra ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany. Tao Toamasiana dia efa nanomboka nanao fitokonana lavareny ny mpiasan’ny ladoany, ka voakasik’izany ny tao amin’ny “Recettes” sy Manangareza ary “Brigade Mobile”. Tsy niasa izy ireo nanomboka omaly ary hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Dosie an-jatony, araka izany, no mihitsoka omaly fotsiny. Solika 50.000m3 vao tonga ao amin’ny seranana koa no mihitsoka tsy misy mampidina. Ao amin’ny toby Manangareza koa anefa tsy misy solika mivoaka ary fiarabe 50 mahery no efa miandry ao. Vokany nilahatra sahady ny solika tao Toamasina omaly. Kaontenera maro no tsy tafavoaka ao amin’ny MICTSL, torak’izany ny entana gaboraraka ao sahanin’ny SMMC. Ho fanehoana firaisankina amin’ny mpiasan’ny ladoany manerana ny Nosy no anton’izao grevy izao hoy ireo mpitokona. Tsy misy fetra, fa miankina amin’ny valin’ny fitakian’ny mpiasa, anisan’izany ny hamoahana ny anaran’ireo atidohan’ireo kaontenera enina feno “bois de rose” sarona tao Maorisy farany teo, ny hamoahana ny naman’izy ireo voatana am-ponja ka hamerenana azy amin’ny asa aman’andraikiny, ny hananana sata manokana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT