Actualités

Toamasina I Tokantrano 27 no dibo-drano, olona 39 no nafindra monina


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Omaly ihany dia efa fantatra ny voka-dratsin'ny fandalovan'ny rivo-doza Chalane distrikan'i Toamasina I.

 

Tokantrano 27 no dibo-drano raha araka ny fanazavan'ny dokotera Andriamirado Lala Christian, teknisiana eo anivon'ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary raha olona 39 isa kosa no voatery nafindra monina ao amin'ny sekoly ambaratonga fototra iray any an-toerana. Nambaran'ity teknisiana eo anivon'ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ity moa fa tsy ny rivotra nentin'i Chalane no olana ho an'i Toamasina fa ny ranon'orana nentiny. Niakatra teo anelanelan'ny 20 ka hatramin'ny 30 sm mantsy ny rano tany an-toerana vokatry ny fahatsentseman'ny Canal du nord noho ny fiparitahan'ny fako. Ao anatin'ny 2 andro moa izany hoe : rahampitso talata no mety hihena tanteraka ity rano niakatra vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Chalane ity ho an'ny renivohitr'i Toamasina.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT