Actualités

Toamasina I Nakatona vonjimaika ireo sekolim-panjakana


  • Alarobia 16 Mey 2012


 Very hevitra tanteraka ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Mahavimbina Alain, ny DREN Atsinanana, Lema Etienne, ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Sambany Frédéric, ary ny Tale iraisam-paritry ny teknika Toamasina, Rakotonirina Jean Claude Roger, mikasika ny tokony hatao amin’ny fandaminana ny famerenana ny fampianarana ao Toamasina indray, taorian’ny antso avo sy ny baiko midin’ny FAT amin’ny fanentanana ny mpampianatra hiverina amin’ny fampianarana.

Hatreto aloha dia antso an’efitra ny fanentanana natao rehetra nataon’ny DREN sy ny SEMPAMA Porakalahy Joseph ary ny an’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Ny fitokonana mbola tena tsy mivaha nefa nanomboka ny alatsinainy teo dia nanao ny azy amin’ny fitakiana ny zony koa ny mpianatra, izay tena lasa olana satria mety hivadika zavatra hafa ny fandefasana herim-pamoretana amin’ireo tanora mpianatra ireo. Raha antso avo amin’ny famerenana ny fampianarana no natao nanomboka ny zoma hariva sy ny alatsinainy teo, dia ny fampijanonana “vonjimaika” ny fampianarana indray ny filazana nanomboka omaly, izay nataon’ireo tale sy tompon’andraikitra isany misahana ny fampianarana ao an-toerana, dia i Lema Etienne, Rakotonirina Jean Claude Roger ary Sambany Frédéric, teo anatrehin’i Mahavimbina Alain, tao amin’ny birao fiasan’ity farany.

Nambaran’ny filazana nataon’izy ireo fa «noho ny olana amin’ny mety hisian’ny korontana sy ny fanararaotan’ny olona sasany amin’ny fidinana an-dalambe ataon’ny mpianatra mitaky ny zony hianatra, ny mbola fandaminana hifanaovan’ny samy mpampianatra mitaky ny zony ihany koa, dia mitsahatra vonjimaika ny fampianarana rehetra eto Toamasina manomboka izao mandra-pisian’ny filazana manaraka indray tsy maintsy hatao. Efa ho hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny fandaminana ny raharaha, ka miangavy ny ray aman-dreny mba hiazona ny zanany an-trano aloha, hisorohana izay mety ho mpanararaotra amin’ny hetsika ataon’izy ireny midina an-dalam-be izao». Ny sekolim-panjakana ihany no iharan’izao filazana izao, araka ny nambaran’ireto tale sy tompon’andraikitra ireto, nefa afaka manaraka izany koa ny tsy miankina mba ho fiarovana ny fananany sy ny sekoly ary ny mpianatra ao aminy. Tsy hitan’ny fanjakana intsony ny atao, raha ny mpampianatra no olana teo aloha, izao niampy ny mpianatra indray ary mety ho lasa lavitra raha misy ny tsy fijerena haingana ny ho famahana ny olana misy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT