Actualités

Toamasina Ho tanŕna tsy misy dokotera anio


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Araka ny tapaky ny mpitsabo rehetra ao Toamasina, araka ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’izy ireo ny zoma lasa teo tamin’ny 03 ora tolakandro, dia ataon’izy ireo ho «androm-pisaonana sy andro ho tsiaro an’ny Dr Laivao Michel Victori» anio alatsinainy 11 aprily tontolo ao Toamasina.

Tsy hiasa avokoa ny dokotera rehetra ao tampon-tanànan’i Toamasina anio manontolo ny andro, mikatona avokoa ny toeram-pitsaboana rehetra na miankina amin’ny fanjakana na ireo tsy miankina. Ireo misahana vonjy aina ihany no miasa ho an’ny toeram-pitsaboana Salfa, OMSI, Hopitaly be, Port, Jirama, Madarail, Tetikasa Ambatovy, Psi, sy amin’ireo Csb miisa fito ao Toamasina … Nambaran’ny mpitsabo mivondrona amin’ny Crom ireto fa nataony ho andro hisainana sy handinihana zavatra maro ity andro hisaonana ny ny namany nisy namono tamin’ny fihetsika feno habibiana be loatra ity. Hisy ny fihaonambe hataon’izy ireo ao amin’ny hopitaly kely ka mandritra izany dia hisy boky volamena hosokafana hahafahan’ny olona manoratra ny vetsom-pony taorian’ny fahafatesana tampoka nahazo ny Dr Laivao Michel Victori.

 
NOTE:
Teraka ny 22 martsa 1961 tao Maroantsetra ny Dr Laivao Michel Victori. Manan-janaka telo mirahavavy, ka ny vavimatoa mianatra any ampitan-dranomasina. Efa filohan’ny Lion’s Club ny taona 2006-2007, mpanangana ny Amelito ny taona 1994, nanangana ny fikambanana Jeremi, “échographe” tao Toamasina, mpandrindram-paritry ny Amadia Toamasina, efa filohan’ny Crom Toamasina ihany koa… Tia baolina kitra sy fiainana anaty fikambanana ary ity farany no tena nahalalan’ny olona azy noho ny asa soa vitany. Omaly alahady no nandevenana azy tao amin’ny fasam-bahiny Anjoma Toamasina.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT