Actualités

Toamasina Hita faty omaly ilay zaza latsaka an-drano


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Sady mamelona no mamono ny rano. Zazalahy kely iray vao 12 taona monja no fantatra fa maty latsaka an-drano tao Ambolomadinika Toamasina, afak’omaly Alatsinainy.

Nitifi-borona no nivoahan’io zazalahy kely io tao an-tokantranony. Rehefa voatifiny anefa ilay vorona dia latsaka tao anaty rano ka nenjehiny nalaina. Nilentika vokatr’izany ny anaolahy ka tsy nipoitra intsony mandrapahita ny vatana mangatsiakany omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Ilay zana-drano any an-toerana nanao ny fombafomba no nilaza io ora voatondro io no sady nanamafy fa lasan’ny lolon-drano ilay zaza. Na dia mafy aza ny aina misaraka dia faly sahirana ireo fianakavian’ity zazalahy kely ity nahita ny nofo mangatsiakany ho azo alevina any am-pasan-drazana ihany raha efa tena namoy fo tanteraka. Mila mitandrina isika rehetra manan-janaka madinika manoloana ny tranga tahaka izao. Ankoatra ny fitifirana vorona tahaka izao mantsy dia ahitan-doza matetika ihany koa ny famonoana ireny tanalahy na androngy ireny indrindra fa amin’ireo toerana mampanahy tahaka itony.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT