Actualités

Toamasina Dahalo tratra niaraka tamin’ny basy Mas36 sy “Calibre-12” ary bala


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Nifanehitra tamin’ny dahalo enin-dahy tamin’ny lalam-pirenena faha-5 iny ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritr’i Toamasina.

Raikitra ny fifandonana, ka maty voatifitra ny roa, voasambotra ny telo, ka zandary sandoka kilasy voalohany ny iray. Tafaporitsaka kosa ny iray. Tratra ihany koa ny basy “Mas-36” izay basy fampiasan’ny miaramila, araka ny fanazavan’ny kolonely Rakotobe Willy komandin’ny “groupement” ny zandary faritra Atsinanana sy “Calibre-12” basim-borona. Niisa 19 kosa ireo bala tratra tamin’izy ireo. Raha ny fanazavana dia dahalo avy nanafika mpivarotra tao Fenoarivo Atsinanana sy tao amin’ny La Pirogue Mahambo, Faritra analanjirofo izy ireo. Vao avy nandromba mpivarotra niisa dimy tao amin’ny Kaominina Andondabe izy ireo, ka nandratra mpivarotra efatra vokatry ny tifitra. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona nampian’ny zandary avy ao Foulpointe nahare ny vaovao. Vao naheno ny vaovao koa ny tao Toamasina dia avy hatrany dia nanara-dia tamin’ny RN5, ary nifanehitra tamin’izy ireo. Mbola nahatrarana odigasy maromaro koa tamin’ireto dahalo ireto, izay voalaza fa avy any Ambatondrazaka.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT