Niaiky avokoa ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fitsarana ao Toamasina, raha nanao ny fivoriana manokana mikasika ny filaminam-bahoaka tao amin’ny efitrano malalaky ny Faritra Atsinanana ny talata tolakandro teo, fa “baranahiny, tsy voafehy, mampiteny ny moana ny asan-jiolahy amin’izao”.
Fantatra nandritra izany fa trangam-panafihana mitam-piadiana mahery vaika niisa 16 no niseho tao Toamasina teo anelanelan’ny 20 jolay sy 19 aogositra teo, izany hoe trangam-panafihana iray isaky ny roa andro. Izay no anton’ny fihaonana hisian’ny fiaraha-mientana sy fifanomezan-tanana hamongorana ny asan-jiolahy. Fantatra fa hanampy ara-pitaovana ny mpandraharaha. Hamafisina ny fisavana ireo scooter na andro na alina, indrindra ireo mihazo ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy, haverina ny fisavana sy fanasaziana ireo olon-tsotra manao ny fanamiana mpitandro ny filaminana sy ireo mpitandro ny filaminana tsy am-perinasa manao izany eny an-dalambe, omena fanampiana manokana ireo Fokontany tsy ahitana asan-jiolahy, averina ny fampiasana ny bokim-bahiny sy ny “Quartier mobile” eny amin’ny Fokontany, atsahatra ny “intervention” ataon’ny olom-panjakana na ireo mahitahita amin’ireo jiolahy tratra… Ankoatra izay dia anisan’ny olana ihany koa ny mpitandro ny filaminana miandry olona na orinasa tsy miankina miha maro ankehitriny, nefa ny tsy filaminana mirongatra andro aman’alina. Ny tanjona dia ny hisian’ny filaminana mandrapahatonga ny faran’ny taona sy hidirantsika ao anatin’ny fifidianana amin’ity taona ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.