Toamasina

> Mirongatra indray ny andiana “Foroches”


  • Zoma 07 Martsa 2014


Isan’andro dia tsy misy andro tsy ahenoana olona maty voatsindrona antsy ao Toamasina. Ny talata alina nifoha ny alarobia teo izao dia tovolahy mpatory eo ambany lavarangan’ny CRJS antsoin’ny maro hoe “Rasta” no maty vokatry ny tsatok’antsy maromaro nahazo azy ka ny iray teo amin’ny takibany ary nahazo ny fony. Ny alin’ny alarobia ihany koa, mpiasa avy namonjy raharaham-piangonana maika hamonjy asa eny Ampasimasaza nitaingina moto, no nosakanana tovolahy telo. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tsatok’antsy telo no niantefa taminy vao nilaza ny zavatra tadiaviny ireto andian-jatovo ireto. Tsy nisy vola anefa tany amin’ity rangahy ity ka ny findainy no nalain’ireto jiolahy. Mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be moa ity rangahy ity izao. Mpifankatia sendra nahita ny ra be teny aminy no nanavotra ny motony mba tsy ho lasan’ireo jiolahy. Raha ny zava-misy izany, dia “foroches” tahaka ny tany Antsiranana izy ireto izay mandeha andiany ary mbola mpianatra ny ankamaroany ka mampananosarotra ny fanaraha-maso azy ireo.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT