Toamasina

> Miavosa ny fako, mitazam-potsiny ny Kaominina


  • Talata 05 Novambra 2013

Efa ela ny Kaominin’i Toamasina no mitaraina ho tsy manam-bola ka tsy afaka manao ny asany, indrindra amin’ny fanadiovana ny tanàna.

Izay vola hany miditra araka ny filazan’izy ireo dia lany andoavana ny karaman’ny mpiasa efa mananiky ny arivo, ka zara raha misy 01% sisa ahafahana mihetsika anaovana ny asany. Efa nangataka fanitsiana sora-bola teo anivon’ny filankevitry ny Kaominina anefa ny PDS Toalina Zafindrabary mba fanamafisana ny volan-tsolika hahafahana manao ny asa, nefa toa tsy hita ihany ny tena asa vita, fa ny fivoahana any ivelany matetika indray aza no nitranga tato ho ato. Vokany mivangongo ny fako, maimbo ny tanàna, feno lalitra ny tontolo iainan’ny mponina, voabahana ny arabe amin’ny tsena sasany. Ilay fiara vaventy roa nampanantenain’ny filohan’ny tetezamita ny volana janoary 2012 nandritra ny fitokanana ny zava-bita koa efa ho roa taona aty aoriana tsy mbola hita ihany na ny vola hividianana azy na ilay fiara. Nolazaina anefa fa efa vita ny tolo-bidy natao mikasika izany ary ny fiadidian’ny prezidansa ny tetezamita no miantoka azy. Ho avy anefa izao ny taom-piotazana lodsia izay maha be ny fako sy ny loto. Efa tonga koa ny fotoan’ny voankazo samy hafa avy amin’ny faritra hafa mameno ny tsena. Raha izao no mitohy, ahiana ny valanaretina manampy ny tazo sy ny gripa efa betsaka ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT