Actualités

Toamasina Bateria efa niasa 430 saika ampidirina an-tsokosoko


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Vokatry ny fiaraha-miasan'ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy sy ny fadintseranana dia sarona tao

Toamasina ireo bateria efa niasa miisa 430 saika ho ampidirina an-tsokosoko eto Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Fako tsy mety levona ary tena manimba tontolo iainana izy itony rehefa niasa toy ireny fampiasa amin’ny fiarakodia ireny noho ireo akora simika ao aminy toy ny asidra sy ny firaka, hoy ny fanazavana. Raran’ny lalàna araka izany ny fampidirana ireny bateria efa niasa ireny eto Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana faha 2012-753 tamin'ny 07 aogositra 2012 sy ny didim-panjakana laharana faha 2018-1145 tamin'ny 05 septambre 2018, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Matoa moa misy ny entana toa izao ezahana ampidirina amin’ny fomba rehetra eto, dia misy izany ny mpividy, misy ny mila azy sy mampiasa azy koa raha tena hiady tokoa amin’ny trafika dia ireny no mila jerena , ka hikaroham-bahaolana hoe inona ary no hatao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT