Actualités

Toamasina Atahorana ny fifandonana !


  • Alatsinainy 19 Martsa 2012

Efa tonga tamin’ny fanakanan-dalana miditra ny ozinina ao Tanandava ny hetsik’ireo mpiasa taloha tao Ambatovy, ny zoma teo, fotoana indrindra nahatongavan’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany, Randriafeno Danielle sy ny minisitry ny fahasalamana, Ndaimanjara Johanita.

 Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireto mpiasa voatery naato noho ny fahavitan’ny fanorenana ny ozinin’Ambatovy ireto, na efa nanome ny tambin-karama hatramin’ny Ar.54.000 isam-bolana aza, raha tsy anisan’ireo mpiasa raikitra amin’ny fihodinan’ny orinasa. Voalazan’ny mpiasa mitokony. Araka ny fantatra dia hisy fanambarana hataon’ny tetikasa Ambatovy mikasika ity raharaha ity rahampitso talata. Anio alatsinainy kosa ny hivoaka ny tatitra mikasika ny dian’ireo iraky ny governemanta tao Ambatovy taorian’ny raharaha maromaro nitranga tao aminy. Ireo mpitokona etsy ankilan’izay mandrahona ny hanakatona orinasa raha tsy mahita vahaolana, ka eo no mampanahy ny hisian’ny fifandonana.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT