Toy ny olom-pirenena malagasy rehetra ny tenanay mpanakanto ka manan-jo handray anjara amin’ny adihevitra politika hitantanana ity firenena iombonana ity
Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fanolorana ny anjara biriky amin’izany ny tenako, Tirike Augustin mpihira, ka izao mirotsaka anatin’ny antoko Avana tarihan’ny Dr Robinson Jean Louis izao. Manam-pikasana ny hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka any Ampanihy Andrefana tany niaviana aho, hoy izy, ka tato amin’ity antoko ity no hitako fa mahafeno ny fepetra amin’ny fitovizan-kevitra hahatrarana izany. Izao moa be ny lafin-javatra niova taorian’ny fanapahan-kevitry ny Ankolafy Ravalomanana nilaza fa hanohana ny kandidà Robinson Jean Louis ka dia arahaba soa arahaba tsara ho anay Avana izany. Tena mampalahelo ny mahazo ny mponina any amin’ny Faritra misy anay iny sy manerana an’i Madagasikara mihitsy amin’ny ankapobeny, hoy i Tirike, tokony hiteny amin’izay amin’ny mahazo azy ny Malagasy fa tsy hanaiky lembenana fotsiny ary dia ny hitarika azy amin’izany no nampirisika ahy hiroso amin’izao fanaovana politika izao. Matoky ny fiaraha-miasa matotra amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny Avana, hoy izy, ka hiaraka hisalahy tokoa hampandresy amin’ny fihodinana voalohany ny kandidà Dr Robinson Jean Louis. Tsy nety niresaka ny teo aloha niainany ara-politika tany ivelan’i Madagasikara tany moa ny lehilahy na dia nosokirin’ny mpanao gazety aza.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.