Actualités

Tiko Mana Madagascar SARL Misy miketrika hivarotra ireo varimbazaha simba ao


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Misy mikasa hamoaka sy hivarotra ireo varimbazaha efa simba, tavela ao anatin’ny «silo» an’ny “minoterie” Tiko na Mana Madagascar eo anivon’ny seranan-tsambo Toamasina.

Izany M. sy JF. izany no miara-niketrika mafy ity bizina be ity, ary izany R., mpandraharaha ao Antsirabe, izany no hividy ilay varimbazaha simba, ka ingahy F. no misolotena azy miara-miketrika ny raharaha eo anivon’ny fitsarana miaraka amin’ny M. sy J.F. Efa tena simba anefa ireo varim-bazaha ireo ary hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka, eny fa hatramin’ny biby hihinana azy aza mety ho voa, raha tafavoaka ireo entana ireo. Famosaviana ny mpiray tanindrazana tsotra izao, raha izay no mitranga. Efa betsaka ny fanakanana nataon’ny Mana Madagascar Sarl tsy hisian’izany.

Raha nandresy sy nahazo rariny tamin’ny fitsarana ambony teto Antananarivo ny Tiko Mana Madagascar hahazoany maka ny fananany sy hiarovany izany, araka ny «ordonnance» lah : 113/PPCA/10 ny 07 jolay 2010, dia navoakan’ny fitsarana tampony teto Antananarivo ihany koa, taorian’ny fanoherana ny fandresen’ny Mana Madagascar nataon’ny ministry ny fitsarana, ny «ordonnance» lah : 330/PPCS/10 ny 23 aogositra 2010 mampiantona izany didy izany. Nisy fotoana koa nahazo taratasy tamin’ny fitsarana ny Mana Madagascar nahafahany mijery sy nanao fanadihadiana hamantarana ny tena zava-misy tao amin’ny orinasa, nefa dia nisesy indray teo ny fivoahan’ny “ordonnance” avy amin’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, araka ny fitoriana nataon’ny talen’ny varotra tao an-toerana. Teo ny fitoriana ny 13 septambra 2010, izay novalian’ny fitsarana ny 14 septambra 2010 araka ny didy lah : 953-AG/10. Nisy koa ny fitoriana izay mitovy ihany tamin’ity teo aloha ny 14 septambra 2010 ary namoahana didy ady maika 2010 lah : 955-AG/10 ny 15 septambra.

Raharaha iray ihany fa mbola nitohy hatrany ny fitoriana ny 15 septambra 2010 ary namoahan’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany didy ady maika lah : 957-AG/10 ny 16 septambra 2010. Rehefa avy nivoaka ireo «ordonnances» marobe ireo dia notanterahina ny fanagiazana ny Mana Madagascar Sarl ny 24 septambra 2010, teo anatrehan’ny vaditany sy ireo solontenan’ny talen’ny varotra Toamasina sy ny teo anivon’ny fitsarana. Izao indray anefa dia misy miketrika hangataka «ordonnance» hakana ireo varimbazaha efa lo sy simba ireo, ka ho sahy hanome didy ady maika ve ny fitsarana izay nanakatona ny orinasa ny volana septambra 2010 teo ? Ho hita eo fa tantara mbola ho lava izy ity !

 
Nangonin-dRakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT