Actualités

TIKO Group Hiresaka amin’ny mpanao gazety anio


  • Talata 31 Mey 2016

Hihaona amin’ny mpanao gazety anio manomboka amin’ny 11 ora maraina etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ireo mitantana eo anivon’ny orinasa Tiko,

 

fotoana hahafantarana ny hevitry ny orinasa manoloana ny sakantsakana amin’ny endriny maro samihafa mahazo azy ity fihaonana ity. Ity koa no fotoana voalohany hiatrehan’ireo mpitantana ny mpanao gazety hatramin’ny nanambarana fa hisokatra indray ny Tiko, maro tokoa mantsy ny fanontaniana manitikitika ny olona momba ity orinasa natsangan’i Marc Ravalomanana ity ka inoana fa hahazoana valiny mahafa-po amin’ity anio ity. Hatreto aloha dia mihitsoka tanteraka ny fahitana ny fifampiresahana eo amin’ny Tiko sy ny fanjakana ary indrandray aza efa tena tahaka ny resaky ny moana sy marenina mihitsy. Iny niaraha-nahita iny fa taorian’ny fakana CV ho an’ireo maniry ny hiasa ao amin’ny Tiko dia voaroaka teny amin’ny Magro Ankorondrano avy hatrany Atoa Ravalomanana sy ny ekipany ary efa narindrin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antananarivo mihitsy aza ny vavahady miditra eny an-toerana. Porofo iray izany fa tsy mbola nisy marimaritra iraisana nifaneken’ny roa tonta, hatreto aloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT