Actualités

Tiko Andranomanelatra Tantara mitohy ny raharaha


  • Zoma 08 Jona 2012

Raha ny fantatra dia tsy maintsy hiroso amin’ny fanagiazana ity fananan’ny Tiko ity ny fitondrana tetezamita sy ny eo anivon’ny fiahiana ny hetra.

 Re mantsy fa misy didy avy tany amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola manery ny Faritra hitady vadintanin’ny Fitsarana (huissier de justice) ao Antsirabe hanao ity asa maika amin’izy ireo ity satria toa tsy manam-pahefana hanao izany indray ilay vadintany nirahina voalohany tany. Raha ny fantatra moa dia telo ihany ireo vadintany misy ao Antsirabe ka raha ny loharanom-baovao dia efa nandà ny fanantanterahana ity fanagiazana ity ny roa ka ny iray no sisa tsy nahazoam-baovao. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia ny alarobia 06 jona no nidina tany an-toerana ny OMC mba hiangavy ny tompon’andraikitra hanome alalana ny vadintany hanao ny fanagiazana ny fananan’ny Tiko, saingy tsy tontosa izany.

Nivoatra hatrany moa ity raharaha ity ka omaly alakamisy vao maraina indray dia nanao be midina tany Andranomanelatra ny avy ao amin’ny EMMO-REG Antsirabe niaraka tamin’ny Me Mamy Andrianoro Lucien, izay voalaza fa vadintany hanantotosa ny asa. Noho ny tranga izay niseho moa dia mailo ny Tiko ka niantso vadintanin’ny Fitsarana ara-dalàna tao Antsirabe hijery ny fampiharana ity didim-panjakana ity. Rehefa nandeha ny resaka samihafa dia fantatra fa izany “huissier provisoire” izany ranamana ary any amin’ny Distrikan’Antanifotsy ihany no tokony hiasa. Raha ny fanazavana azo dia tsy manana alalana sy fahefana hanao ny asa fampiharana ity didy ity ny tenany satria tsy “huissier de justice”. Taorian’izay moa dia nisalasala ireo mpitandro filaminana tonga marobe. Raha ny zava-nisy omaly dia nahatsiaro voafitaka ireto farany. Ho hita eo indray ny tohiny. Tsy afaka niambina ity toerana ity intsony moa ireo vahoaka noho ny fisian’ny mpitandro filaminana fa ny mpiasa ihany no navela hiditra tao anatin’ny faritry ny orinasa io omaly io.

 

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT