Actualités

Tiko Andranomanelatra Naato vonjimaika ny fiambenana


  • Alakamisy 21 Jona 2012

Raha ny fanazavan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tonga marobe nifanotrona tamin’ny vahoakan’Antsirabe nanao mandatehezana niaro ny Tiko Andranomanelatra dia toromariky ny lehibe avy aty Antananarivo no nampiatoana vonjimaika ny fiambenana.

 Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ny fanapahan-kevitra manaraka. Nampahatsiahy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Lanto Rabenantoandro, fa efa nisy ny dingana maro natao tany amin’ny lehiben’ny governamanta tamin’ny alalan’ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ka ho hita eo indray izay ho tohiny. Na izany aza dia mailo ihany izy ireo ka hisy ny fampandrenesana maika raha misy zava-mitranga. Nambaran-dRasolonjanahary Sely Tiana, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy ao Antanifotsy, fa tsy maintsy hiaro hatramin’ny farany ity orinasa ity izy ireo ary nolazainy fa efa samy ao anaty fanjakana ka raha vao misy feo ny hangeja ny Tiko dia ho tonga avokoa indray izy ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT