Actualités

THB Tour any Mahajanga 100 tapitrisa Ar mahery ny tetibola


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Anisan’ny olana goavana iray tsy mampitombina ny sain’ny maro tato ho ato ny famonjena ireny karazana fety aman-danonana ireny taorian’ilay tranga namoizana ain’olona tsy manan-tsiny telo tetsy

 

Mahamasina ny harivan’ny 26 jona lasa teo. Ho an’ny THB Tour Mahajanga manokana izay hotanterahina manomboka ny 19 Aogositra ho avy izao, haharitra telo andro ao an-drenivohitr’i Boeny dia anisan’ny laharam-pahamehan’ny orinasa Star mpikarakara ny hetsika ny fitandroana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny olona mifety araka ny tokony ho izy. Mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny vola holaniana amin’izany ka olon-tsotra sy mpitandro ny filaminana manodidina ny 150 isa no indray hohetsehana mandritra ny telo andro. Mandalo fisavana in-telo ny olona vao tonga ao amin’ny Soama beach, toerana voafefy hanaovana ny lanonana vao tafiditra. Lohalaharana amin’izany ny fisavana ny kara-panondro satria natokana ho an’ireo ampy taona ihany ity toerana iray ity, ny vatan’ilay olona sao misy fitaovam-piadiana misitrika…ary ny entana hoentiny. Samy tafiditra ao anatin’ny fepetra notakian’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga avokoa ireo rehetra ireo ankoatra ny fahazoan-dalana izay efa azon’izy ireo. Manaraka ny ara-dalàna izahay, hoy hatrany ireo mpikarakara  araka ny didy hitsivolana laharana 60-082 tamin’ny 13 Aogositra taona 1960. Mikasika ireo zaza tsy ampy taona miaraka amin’ny fianakaviany moa dia efa misy ny toerana voatokana ho azy ireny tsy ahitana zava-pisotro misy alikaola. Mpanakanto maro no hanafana ny lanonana toa an’i Marojoby, Ambondrona, Maitre Rufin ary Taa tense.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT