Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly hariva tetsy amin’ny Kudéta Carlton Anosy ny fivoahan’ny rakitsary vaovao “THB ihany oŕ!” novokarin’ny orinasa Brasseries STAR.
Matotra sy matihanina ny famokarana, na ny lafiny ara-dihy, na ny ravaka na ny teknika sy fitaovana nampiasaina nanatontosana io horonantsary vaovao io. Nohatevenina koa ireo mpanakanto masoivohon’ity zava-pisotro malaza eto an-toeran hatrany ampita ity. Ankoatra an’i Jaojoby sy Lôla ary Tsiliva dia nantsoina koa ireo mpanakanto sokajiana ho tena goavana eto an-tanàna amin’izao fotoana dia i Samoela sy Tence Mena. Tany Antsiranana no nanodinana ny sary sy feo ka nisy vahiny nitondra ny traikefany nanampy ireo teknisianina teto an-toerana tamin’ny fanatontosana ny rakitsary. Naharitra 150 andro ny famokarana ary mpandihy 150 no nahetsika ao anatiny, nahatratra 250 kosa miaraka amin’ny ekipa teknika manontolo. Samy niaiky ny maha goavana ny fanatontosana io rakitsary io avokoa na ireo mpanakanto na ireo teknisianina voakasiky ny famokarana. Nalefa nivantana tamin’ny fahitalavi-pirenena moa ny fampahafantarana io vokatra vaovao io. Nampanantena ny orinasa STAR fa ho avy tsy ho ela ny hetsika fitetezam-paritra miaraka amin’ireo masoivohony ireo, indrindra amin’izao fotoam-pialantsasatra izao.
Hery Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.