Actualités

Tezitra ny sendikan’ny mpiraki-draharaha “Tadiavin’ny mpitsara sasany atao mpiasa an-trano izahay”


  • Zoma 03 Jona 2022

Misy ny olana eo amin’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana sy raha ny resaka nataon’ny filohan’ny sendikan’ireto farany omaly.

Ahoana kosa moa no hanekenay hoe rehefa tafiditra ao amin’ny biraony ilay mpitsara no maniraka ny mpiraki-draharaha hoe andana alaivo ny poketrako fa adino ao anaty fiara, hoy Atoa Randriamaro Alain Michel filohan’ny sendika.Tena misy ny mpitsara mihevitra fa mpiasa an-tranony ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, tsy azo ekkena izany hoy izy satria samy manana ny hasiny ireo asa roa ireo ao amin’ny fitsarana, mitovy ny diplaoma sy ny toerana nianarana ary samy manana ny fitsipika mifehy azy ihany koa fa tsy hoe ny iray no mifehy ny iray.Nampatsiahy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa tsy misy manankery ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitsara raha tsy misy ny sonian’ny mpiraki-draharaha.Fa ankoatr’izay , mbola mampitaraina azy ireo ihany koa ny famindrana toerana tsy amin’ny rariny, fa rehefa misy mpiraki-draharaha mety mahasosososotra ny mpitsara iray avy hatrany dia mandeha ny famindran-toerana, tsy mety ary tsy azo ekena izany , hoy ireto mpiraki-draharahan’ny fitsarana ireto izay manao antso avo ny amin’ny handaminana sy hikaroham-bahaolana momba ity raharaha ity , fa raha izao olana izao no mitohy dia mety hiroso amin’ny fitokonana izahay, hoy ry zareo.
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT