Raha naneho ny Sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana tamin’ny alalan’ny Filohany Randriamaro Alain Michel afak’omaly taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Minisiteran’ny fitsarana,
fa hisy ny ezaka hanalefahana ny fiantraikan’ny grevy taorian’ny dinika ny nifanaovana, izay mizotra makany amin’ny famahana olana, dia mifanohitra tanteraka amin’izany ny tohiny ho an’ny omaly. Nilaza mantsy ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa tsy afa-po tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanolon-tsain’ny Filohan’ny Repoblika. Vahaolana no nandrasana, kanefa fampandriana adrisa hoentina hanatsaharana ny fitokonana, hoy izy ireo. “Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanolontsaina manokan’ny Filoha. Omaly mba velombelom-bolo tamin’ny fihaonana tamin’ny minisitra. Noheverina mba hiditra amin’ny fiandrasan-draharaha. Miasa aloha, raha miasa dia hodinihina ny mombamomba ny fitakiana. Fandrahonana hatrany no setriny”, hoy ny Filohan’ny sendika izay naneho fa tsy afa-po izy ireo. “Misy “corps” tsy mitokony akory dia mivaha, tampoka teo dia milaza hiasa fa tsy hitokona. Izahay nandalo antanan-tohatra rehetra, vao manambana hitokona, dia mandeha ny fandrahonana.Mbola tapaky ny besinimaro fa aleo tohizana ny tolona”, hoy Atoa Randriamaro Alain Michel. Mitohy izany ny grevy nanomboka ny 06 oktobra 2022 teo ho an’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, ary niverina ho resaky ny moana sy ny marenina hatrany ny raharaha. Isan’ny takian’izy ireo fampidirana mpiraki-draharaha vaovao noho ny tsy fahampiana, ny marin-karama, fitantanana ny mpiasa,… Ny Minisitry ny fitsarana etsy andaniny milaza fa misy ny miasa, misy ny tsy miasa, saingy tsy fantany ny isan-jato. Ny fifampidinihana mbola misy, ary miroso hatrany amin’ny famahana ny olana, hoy izy. Endrika maneho hatrany izao, fa mandalo krizy ny firenena, manenjana ny sendika na eo aza ny naoty miendrika fanerena navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Voalaza fa efa hatramin’ny 2012 andron’ny tetezamita ny fitakiana sy ny tokony hampiharana ny valiny, saingy hatramin’izao mbola hifanenjanana. Inona no raharaham-panjakana mba tena mandeha eto? Rahoviana vao tena hamaha olana sa dia hoentina fotsiny amin’ny hoe: rehefa misy ampahany mbola miasa dia aleo aloha handeha amin’izao na efa hita izao aza fa mandrika ilay asam-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.