Araka ny horonantsary naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, dia nilaza I Zatia Rocher, fa nanantona ny farmasia Malagasy iray teo Analakely.
Vao nivoaka ny farmasia izahay dia voahendaka. Nanantona ny Biraon’ny polisy iray eto Antananarivo izahay, fa tsy noraisin’ny polisy, nosintonin’olona ny poketranay vao nivoaka ny fiara, fa izaho hono sarim-bavy dia tsy raisiny. Manakorontana azy amin’ny toromasony, hono aho, izany no vava eto. Manentana sy manao antso amin’ny vahoaka Malagasy rehetra”, hoy Zatia Rocher. Miala tsiny, fa tonga amin’ny fanaovana izao video izao, hoy izy, izay naneho fa manana ny video notenenin’ny polisy. Somary tsy re loatra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta, na nisy tokoa aza ny fahenoana hoe: “izaho tsy ambanianao amin’izany” sy ilay voambolana hoe: “sarim-bavy” nataon’ilay mpitandro filaminana, izay isan’ny tena nahatezitra mafy an’i Zatia Rocher, ankoatra ny fahatsapany tsy firaharahiana teo anatrehan’ny antso vonjy nataony tamin’ireo/ilay mpitandro filaminana. Andrasana kosa izay mety ho fanazavana ofisialy avy amin’ny andaniny satria mety tonga amin’ilay fitenenana ihany koa hoe: ny vy tsy mikitrana irery ihany koa ny zava-misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.