Actualités

Tetikasam-pampandrosoana Maodely no nataon’ny fitondrana Ravalomanana


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Mba tena hampisy vokany marina ny asa fampandrosoana sahanin’ny fanjakana dia arindra manomboka izao ny fomba fiasa sy ny tetikasa laharampahamehan’ireo ministera isan-tsokajiny araka ny fivorian’ny teknisianina omaly.

 Ankoatra izay dia ampidirina ao anatin’ny drafitrasam-pampandrosoana mandritra ny dimy taona (tahaka ny DSRP sy MAP) sy ny drafitrasam-pirenena momba ny fanajariana ny tany (SNAT) koa ireo tetikasa ireo. Namoaka ny ivom-pampandrosoana ihany koa ireo teknisianina ka tanàn-dehibe 11 no nosokajiany ao anatin’izany. Ny ivom-pampandrosoana moa dia ireo faritra heverina hitondra fampandrosoana haingana. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny fanajariana ny tany Randrianasoloarimina Tiana dia hatao laharampahamehana ny dimy amin’ireo ivom-pampandrosoana ireo dia Tolagnaro, Nosy Be, Toamasina, Antananarivo sy ny manodidina ary ny tanàna rehetra lalovan’ny lalampirenena faha-7 mipaka any Toliara. Nosafidiana ireto farany noho ny anjara biriky entiny amin’ny fampakarana ny harinkarena sy ny noho izy ireo mahasarika ny mpampiasa vola ihany koa araka ny fanazavana. Araka izany dia ny tetikasam-pampandrosoana nataon’ny fitondrana Ravalomanana ihany no maodely arahana sy ampiharin’ny FAT.

Tamin’ny tetikasa PIC mantsy dia ireo tanàna ireo ihany no nifantohan’ny asa fampandrosoana bebe kokoa. Ny maha samihafa azy fotsiny dia noferana teo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe ny faritra faha-3 anaovana ivom-pampandrosoana fa tsy nitatra tany Toliara. Na dia tsy nosokajiana tao anatin’ny PIC kosa i Toamasina tamin’izany dia nomena ny satan’ny renivohitra ara-toekarena ka namboarina ny lalana tao an-tanàna sy nitarina ny seranantsambo. Ireo lalampihariana nimasoana tamin’ny andron’i Dada ihany koa no mbola tazonin’ireo teknisianina nivory omaly. Ao anatin’izany ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ny fizahantany, ny fampandrosoana ifotony ary ny fanatsarana ny vokatra ara-pambolena. Nilaza Rabe Harimanana, Talen’ny tanàn-dehibe fa marolafy ny endri-pampandrosoana hatao. “Tsy tokony hionona amin’ny seranantsambo raha hanao asa ao Toamasina fa mila mijery ny tanàna iray manontolo mihitsy sy ny fifandraisan’i Toamasina amin’Antananarivo”, hoy izy nanome ohatra hampazava ny heviny.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT