Actualités

Tetikasa Tafo Mihaavo « Misedra olana loatra ireo mpiaro ny tontolo iainana »


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Vaky vava ny tetikasa Mihaavo, hivondronan’ireo tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary fa misedra olana loatra ireo mpiaro ny tontolo iainana eto amintsika.

Toa tsy hita mihitsy anefa hoy izy ireo izay fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana hatreto. Anisan’ny nasian’izy ireo resaka ny mikasika ilay vondron’olona ifotony novonoin’ny dahalo tany Ankazondandy ary namoy ny ainy mihitsy. Ankoatra izay hoy ny filohan’ny tetikasa Mihaavo Razafindrainibe Louis de Gonzague dia misy ihany koa ireo hamoronan’ny manam-pahefana sasany dosie fahatany mba hamatorana azy, ny hataon’ireo sambo vahiny mitrandraka ny hazandrano eto amintsika, ny olana amin’ny resaka fananantany ary ny farany izay tsy kely akory hoy hatrany ny filohan’ny tetikasa Mihaavo dia ny fitrandrahan’ny vahiny ny sisin-dranomasina. Tokony hitadiavan’ny fanjakana vahaolana maika avokoa ireo hoy hatrany ity filohan’ny tetikasa Mihaavo ity. Nandroso vahaolana avy hatrany ny filohan’ny tetikasa araka izany ka anisan’ireny ny tokony hijerena ireo olona voahilika toy ny vehivavy mananon-tena sy ireo olona manana fahasembanana. Tokony hapetraka tsara ihany koa hoy izy ny serasera sy ny kolontsaina, ny fanovana ny lalàna fa tsy hatao dika mitovy amin’ny lalàna hafa misy any ivelany ary indrindra ny fanavaozana izany. Maika ihany koa ny hamerenana ny lalana sy ny dina eto amintsika hoy hatrany Razafindrainibe Louis de Gonzague, hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fijerena ny asa velon-tenan’ny mponina izay tanora avokoa ny antsasa-manilany, ny ady amin’ny kolikoly…. Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny tetikasa ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nanavaozan’ireo ireo mpikambana eo anivon’ny birao nasionaly. Nisy ihany koa ny fandrafetana drafitrasa vaovao ho entin’izy ireo miasa mandritra ny 10 taona ho avy indray…Tsiahivina moa fa raha miisa 9 hetsy ireo mpikambana manerana ny faritra 17 teo aloha dia efa mahatratra 3 tapitrisa ankehitriny, misandrahaka amin’ny faritra miisa 23. Naharitra hateloana ity fotoana nankalazan’ny tetikasa Mihaavo ny faha-10 taona niorenany ity.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT