Actualités

Tetikasa MIRA Enti-miady amin’ny fanararaotana mamoafady


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tontosa omaly tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina ny fampahafantarana ny tetikasa Mira izay iarahan’ny rafitra iraisampirenena ECPAT France miasa amin’ireo rafitra hafa avy any ivelany sy eto an-toerana toy ny Antanatohatra,

ONG Fafed, Tandem Analamanga, CDEF ary rafitry ny firenena mikambana. Mandritry ny 3 taona ny tetikasa, raha ny fanazavan’ny talen’ny ECPAT France eto Madagasikara, Dr Annick Andriamaro, ka amin’ny maha mira azy dia fitoviana no tanjona aminy. Eo ny fanetsehana na “mobilisation” ny herivelona rehetra hiady amin’ny herisetra amin’ny maha lahy na maha vavy. Isan’ny hetsehina amin’izany ny ankizy eny anivon’ny sekoly sy fokontany, vondron-dehilahy, ny fikambanana eny amin’ny fiangonana. Eo koa ny resaka fanosehana na “impulsion” satria ivon’ity tetikasa ity ireo ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo. Ka mila omena tosika sy tohana noho izany ireo ankizy ireo toy ny tan-tsoroka ara-psikolojika, sosialy, fitsarana ary toekarena ireo ankizy ireo mba hahaleo tena ireo ankizy vavy zatovovavy ireo. Ny hoe “R” moa dia midika hoe “revendication”, izany hoe, fampiharana an-tsakany sy an-davany ireo fanapahan-kevitra fa indrindra, ny zava-dehibe koa, dia ny fanoroana sy filazana amin’ny manam-pahefana ny trangam-panararaotana hita. Ny “A” farany kosa dia hoe “autonomisé” satria misy fandraisana an-tanana ireo ankizy ao anatin’ity tetikasa ity mba hampahaleo tena azy ireo sy hahatonga azy ho afaka amin’ny fanararaotana mamoafady. Mbola maro ny trangana fanararaotana mamoafady, raha ny eto Madagasikara manokana, raha tsy hitanisa afa-tsy ny hoe ny fiarahamonina malagasy mbola manindraindra lehilehy. Tsy voatery ho ny vehivavy foana nefa no tratran’ny fanararaotana sy herisetra fa ny lehilahy koa. Mbola isan’ny fanambintsika malagasy moa ny hitrandraka ny tarehimarika momba izany. Ny fisorohana atao moa dia ilay hoe fanentanana eny anivon’ny sekoly, ny vondron-dehilahy, fikambanana eny amin’ny fiangonana teo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
Legende: Ny talen’ny ECPAT France eto Madagasikara


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT