Actualités

Tetikasa "Hiaka ho an'ny ala" Mifototra amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana


  • Talata 08 Desambra 2020

Mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala amin'ny faritra maro eto amintsika,

 

 

 

misy fiatraikany ratsy raha tsy hiteny afatsy ny fahaloton'ny rivotra. Ny taona 2018 sy ny 2019 no tena nirongatra ny doro tanety sy doro ala fa tamin'ity taona 2020 ity dia nihena ireo famaizana. Ny politika nasiônaly napetraka dia ny fanabeazana sy fametrahana lalàna. Araka ny fampitam-baovao avy amin` ny minisiteran` ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) dia natomboka omaly ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Alemana (BMZ) sy ny Vondrona Eropeanina amin’ny alalan’ny PAGE2/GIZ, ary ny MEDD amin’ny alalan’ny tetik’asa “Hiaka ho an’ny ala”. Mifototra amin’ny fanamafisana ny fanabeazana ara-tontolo iainana izany fiaraha-miasa izany, indrindra amin'izao vanim-potoana maha-betsaka ny doro tanety izao. Anatin’izany fiaraha-miasa izany ny famokarana fitaovana hanentanana sy hanabeazana ireo vahoaka manerana ny Faritra 22 eto Madagasikara. Fandefasana hira fanentanana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, fanontana peta-drindrina sy boky torolalana ho an’ny fambolen-kazo amin'ny faritra maina, mando, ala honko sy ny karankaina. Marihina fa haharitra hatramin’ny volana martsa 2021 izany fiaraha-miasa izany. Anisan` ny sangany maneran-tany i Madagasikara amin` ny fanimbana ny tontolo iainana indrindra ny fanapotehana ny ala voajanahary. Araka ny tatitry ny Fikambana iraisam-pirenena manara-maso ny ala, ny Global Forest Watch (GFW), manodidina ny 50 000 Ha hatramin` ny 100 000 Ha isan-taona ny salanisan` ny ala potika eto Madagasikara. Raha ny vahaolana hamerenana maitso an`I Madagasikra avy amin` ny MEDD dia ny fambolena zana-kazo amina velaran-tany 75 000 Ha isan-taona. Marihaina fa ny tena sarotra ny fambolen-kazo an-tanety satria mila rano fa tsy toy ny amin` ny ala honko, azo ambolena an-tapitrisany fototra sady misy rano mandavan-taona.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT