Tsy mbola miainga hatreto ilay «Projet d’Appui à la Promotion des Investissements» mitentina 9,87 tapitrisa dolara na 28 miliara ariary vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana ho fanohanana ny fampiasam-bola tsy miankina eto Madagasikara.
10 volana lasa no efa tokony ho nihatra io tetikasa io saingy tsy vonona ny fanjakana Malagasy, hoy ny solontenan’ny Bad monina eto amintsika. Anton’ny fahatarana ny fombafomba amin’ny fikirakirana ireo antontan-taratasy, araka ny fanazavan’ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny Fitantanana sy ny Tetibola niaraka tamin’ny mpanolotsaina teknika misahana ny raharaha ara-toekarena eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Manana herinandro hatramin’ny alatsinainy 9 mey 2016 moa ny fitondram-panjakana Malagasy hanolorany ny drafitr’asa mandavan-taona hamoahana ny bolongambola. Hiompana betsaka amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fanosehana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny tetikasa. Hiandraikitra ny fanatontosana ny PAPI kosa mandritra ny 3 taona sy tapany haharetany ny «Economic Development Board of Madagascar».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.