Actualités

Tetikasa fanavahana sy fanodinana fako Hanampy an’Ambohibao Antehiroka ny UNIDO


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Anisan’ny kaominina voafidy ho Kaominina hisitraka ilay tetikasa fanavahana sy fanodinana fako ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny kaominina Ambohibao Antehiroka.

Ny mba hahafahana mikajy sy manodina ny fako ao anatin’ity kaominina iray ity sy ny kaominina Talatamaty no tanjona tetikasa hiarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Tsy mijanona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fotsiny moa io tetikasa io fa hiteraka asa ho an’ireo olona izay hanao izany ihany koa izay hiainga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy mihitsy ny sivana, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Tonga nitsidika ny kaominina Ambohibao Antehiroka araka izany Atoa Nouri Abdalla mpandrindra rezionalin’ny UNIDO na ny United Nations Industrial Development Organization, misahana ny faritra Afrika. Fifampiresahana sy fanomanana ilay tetikasa fanavahana sy fanodinana fako ao amin’ity kaominina ity no natao tamin’izany izay marihina fa hanomboka tsy ho ela.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka sy Atoa Nouri Abdalla mpandrindra rezionalin’ny UNIDO
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT