Nandritra ny fihaonambe natao tany Toamasina omaly no nampahalalana ny rehetra ny mahakasika ilay tetikasa goavana TATOM na AnTananarivo – Toamasina eto Madagasikara.
Ny antony dia ny hisian’ny drafi-pandaminana ny tanàn-dehibe Antananarivo sy Toamasina sy ny hanaovana ilay lalana migodana mampitohy ireo tanàn-dehibe roa ireo sy ny fanajariana ireo tanàna manamorona ny lalana vaovao. Efa vonona ny Jica amin’ny famatsiana ny vola, tahaka ny efa natao tamin’ny fahavitan’ny sonia ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina nahazoana famatsiam-bola 500 tapitrisa dolara. Miankina amin’ny fahavitan’ilay drafitr’asa hataon’ireo teknisianina Malagasy sy japoney amin’ny mbola hitetezana ireo tanàna handalovan’ilay tetikasa, ny famolavolana azy tanteraka sy hahalalana ny ho fanombohan’ny asa. Ara-tantara dia ny fihaonambe nokarakarain’ny fitondrana japoney (TICAD) ny taona 2013 niarahan’ireo filoham-panjakana afrikanina izay tsy anisan’ny voaasa ny malagasy noho ny fanonganam-panjakana teto, no nanomanan’ny fanjakana japoney hanampiana an’i Afrika amin’ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Miankina amin’ny Malagasy ny maha ela na manafaingana ny fahazoam-bola ao anatin’ity tetikasa TATOM ity satria vonona amin’ny lafiny rehetra ny japonais izay nandefa tompon’andraikitry ny tetikasa eo anivon’ny Jica Atoa Ochi Takeo mihitsy, hijery sy hanara-maso ny fahavononan’ny Malagasy ao anatin’izao tetikasa goavana eto amintsika izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.